Proverbes et dictons
DU NORD DE MADAGASCAR (*)



1. Afo karongaña niala amin'ny tany niaviany tsy avy amin'ny tany añandesaña izy.

2. Akin-dRañahary fanta-mahabo.

3. Akôho mahôly tsy be fe.

4. Akoho nañotri-boroño, foy koa izy fisaka ny vavany, tarihiñy tsy havaña, ambela nijaliaña.

5. Akaho topiana kankana sady tsitra no ravoravo.

6. Ambara tsy hamoa ny ambatry, tampoko namoa nifaoka tany.

7. Am-bavam-boay tsy mety azo eky.

8. Amborodò natono ti-hivolana zaho fa vavako feno jofo.

9. Ampamoriky nirahiñy nijoro, zaka tiany sandra ny manokatra ny maty.

10. Ampango nasian-dronono, ndray tsy tsars fa manimanitr'aomby.

11. Ampingaratra vidin'ovy mahazo zaka tsy foa azony (mamono zaka tsy foa azony).

12. Amposy mampiantra fa tsy reñy mangidy.

13. Andala-maso koa ampandeha vady.

14. Antobavy latsaka an-tevaña, sakavy manampoño.

15. Antobavy mifehy saravy, hejem-poana.

16. Antsibe napetraka ampahindala, sambôrin'ny manan-jery, alain' ny manam-panahy.

17. Aomby mody tsy tam-bala.

18. Aza matahotro ny vavan'ny mena, fa ny felik'ohiny tandremana (ny felik'ohiny tsy hay).

19. Aza misengy ho be vatana, fa vatabe tsy mitahy miady (sandry be tsy mitahy miady).

20. Balabala maizina, zay voa aza manady.



21. Batata natono, tsara fa mavomavo, halin'androngo, tsara fa marokoroko.

22. Betsimisaraka mody, zanak'amboa no zanak'entana.

23. Dadilahiky nisava tanin-dambo, ka hianao hanjô môra !

24. Dian'antsôro ny dia : mitombo an-dalana.

25. Dian'aomby talôha tsy hariana.

26. Dingadingana tsy mamoa, taona mbola ho lava.

27. Famatra ny antilavoaña mañohôkatra ny maty.

28. Fañahy haniñy, jery ny hariaña.

29. Fanebahan-drano lavitra morima.

30. Fialana hitan'ny drehy, harafa hitan'ny tsatsaka.

31. Finoman-drano an-tañana tsy efa indraiky.

32. Hafa ny niteraka, hafa ny voa pia.

33. Hañano lambo dia, mahazo vary atsika niany.

34. Hazakazaka tsy tenandia, mandeha moramora mahalasa lavitra.

35. Hazakazaky ny mavozo, mandeha benandro.

36. Henjam-poana karà kivahy ampitadia.

37. Izay mahadiñy mijibika mahazo faran'analaña.

38. Jahiana ho angàka, fisaka ny molony.

39. Kankafotra manambara taona fa tsy mitsabo.

40. Kapiky azon'amboa, tsy hainy fanaboraña.



41. Karafo nasian-dronono, ny tsara nankatsaraiñy.

42. Kavahy maty fosa mandimby.

43. Kidikidy tsy alaoko amin'ny tohy.

44. Kidikidin'androngo manapaka ny rambony.

45. Kidikidin-jaza mahafañy olobe.

46. Kilandy mañaraka aomby, mañaraka zaka tiany.

47.Kitroitroy nitety fasy sañatria tromban'ny Maborôko.

48. Lainga marivo tototro, hoezin'akoho tôkan'anaka.

49. Lambolahy mitsaoka vitsika, homan-kely, fa tsy azon'ny mafo.

50. Lambolahy topin'ny falafa, voa fa tsy diky (toran'ny falafa, voa fa tsy daiky).

51. Lava-koron-dambo nambolian-tsahòno, zaka hita sinotroko.

52. Lehilahy be tsy mivolaña an-dapa sosobangana.

53. Lemy troko movy fo be terainy.

54. Lohan'aomby aroe tsy aharo vilañy araiky.

55. Lolaña arahin-drano, zanaky ny do vandaña.

56. Lomanon'ilay boka : tsara ampandaharana fa ratsy ampamaràna.

57. Longoza maty, sintona mandimby.

58. Makamba natao mahisa, tsy hanin'ny lôko hahanin'ny tompony.

59. Mampisalasala karà tsakotsako, atao lahy mibaby anaka, atao vavy misy somotra.

60. Manandreny nanariñy, ankanahy malalaka izy.



61. Manangy tovo nañasa-dambo, raha hely namian-kavaña.

62. Manao ravaka gosiky, tsy afaka andrak'enti-maty.

63. Manao zaza nañantôñan-drano.

64. Mandia amboa mandry mila niôlany.

65. Mandrimandry be asa, mibango jaly.

66. Marikitry vilañy feno ariñy.

67. Mantogoro mila tsiñy.

68. Maso amin-drahorono tsy misara-draha mahavoa.

69. Masom-boay nangetoram-baratra.

70. Masobika nanambady Hova, ny trano iarahana, ny fivolañana samihafa.

71. Matingoro mitatao vato, ny fomban-drazana tsy azo avela.

72. Matsabory ambany tanàna, ndray tsy nominy anasana vity.

73. Meso marangitry, tandraka vondraka.

74. Mianjona karà kivahy naondrana an-dakana.

75. Miharo antova fa tsy miharo laoka.

76. Milefa ny fosa, tonga ny vontsira.

77. Misalasala vozono akoho, ataliñy koa taolany, aloa koa nofony.

77 bis. Mampisalasala hotrin'ny vozon'akoho, atao nofo misy taolana, atao taolana misy nofo.

78. Mitevy kakazo, tsy mañoñokoño.

79. Mivalaña mihoriky karaha antidahy very vovo.

80. Nasaina tsy avy, efa ka mitsidika.



81. Ny aomby sy ny voay nifanakalo lela.

82. Ny lehiiahy tsy mba vadin'olona.

83. Ny tsitsihy mae ny varika, alabe no imbonany fa tsy mpihavana.

84. Ny vaiavy mitovy amin'ny vatra famitrahan-damba,raha malaka lamba ny tompony,
tsisy misakana azy.

85. Nonon'ny bengy lavitry ny tratra.

86. Olo koa roa, roa ny jery, olo araiky mijery an-dohaliky.

87. Olo kôla mañiaña mikimbo, kôla ny hiañiny, kôla ny ampañiaña.

88. Rafokovavy mena fanenty, rafokovavy mipatraka an-dalana.

89. Saboa tôkana tsy mikitraña.

90. Sadikam-barika vita lahatañ'ala.

91. Saja nahazo vato.

92. Savaimikipiky momba ramanjaka, fomban'ny haly momba ny be.

93. Sikiny antatsimo leny voa manisiky.

94. Somotsy ny matoilahy, harivariva vao mena fify.

95. Tanà be tsy miray ravo.

96. Tanim-bary tsara tsy ngian'ny mosoro.

97. Tary aomby fahaririñiny, tsy mahafaty ny reniny mahabotra ny zanany.

98. Ti-hiseky navariny an-drano, zaka tiany sandra nampanaoviny izy.

99. Tokana aman-tany karà mañangy somorina.

100. Toloño añomby ambanin-driha, hiangana vaky ny loha, hiondrika vaky ny saoko.



101. Tongoan'aomby natao be rano, ndray tsy tsara fa ahaniñy amin'ny lazany.

102. Tono tsy amian'ny tompony, avalikinao anila, avaliny anila.

103. Trano fandraka finehy vahy, zaka fatatra nankafatariñy.

104. Tsakotsakon-drafy tsy an-ky tsy am-bazana.

105. Tsakotsakon'ny antimahabo, mamelana fa tsy mamoa.

106. Tsara fano fa hily tsara mahery.

107. Tsy androngo tsy tsatsaka.

108. Tsy fila tsy fiharatra.

109. Tay izay tsondrona no fôhatra.

110. Tsy nañahy ny traño ho may, tsy nahaboake ny entaña.

111. Tsy taolany hatsipy, tsy nofony halaiñy.

112. Valin'ny fongiky fongàka.

113. Valin'ny kekitry rangotro.

114. Vato nabalabala voay, samy mijibika.

115. Vato natopy voay, ny ampañatso tsy avy ary ny antsoviny tsy avy.

116. Vaviantitra manarato mankamaro loha.

(*) Tirés des manuscrits du Père Irrigaray (2) et du Père David (3), et classés ici par ordre alphabétique.


A
B
D
E
F
G
H
I
J
K
L
M
N
O
P
R
S
T
V
Z
A
B
D
E
F
G
H
I
J
K
L
M
N
O
P
R
S
T
V
Z

© ZOMARÉ, 2001. Tous droits réservés.
Toute reproduction doit faire l'objet d'une autorisation
Vos commentaires sont les bienvenus.